Nitsidika ny minisitry ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro (MTM), Andrianavalona Herizo, ny talata 12 mey teo, ny tomponandraikitry ny kaompaniam-pitaterana ana habakabaka Emirates sy ny avy amin’ny sambo mpitsabo Mercy Ships. Naneho ny fahavononany hanohizana ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara ny Emirates. Tanjona ny hisian’ny fiantraikan’ny asa iarahana mivantana kokoa amin’ny vahoaka. Hamafisina ny kalitao sady hatsaraina ny tolotra omena ny mpanjifa. Nankasitrahin’ny minisitra ny fahavononan’ny Emirates. Nohamafisiny fa misokatra ny lanitr’i Madagasikara, fa mila miditra ao anatin’ny ara-dalàna. Marihina fa niverina ny zotran’ny Emirates, miainga avy eto Antananarivo mankany Dubaï, nanomboka ny 1 mey teo. Zotra intelo isan-kerinandro no misy, isaky ny alarobia, zoma ary alahady.
Efa tonga ao Toamasina
Ho an’ny Mercy Ships, nanome toky ny tomponandraikitra fa hamafisina ny fitsaboana ny vahoaka malagasy amin’ny fandalovany aty Madagasikara ary hiezaka hanolotra tolotra vaovao ho an’ny fahasalam-bahoaka izy ireo. Tsiahivina fa nigadona tao amin’ny seranan-tsambon’i Toamasina, ny sambo Merci Ships, ny 5 mey farany teo. Nahatratra 1 370 ny fitsaboana fandidiana maimaimpoana vita, naharitra maherin’ny 20 000 ora.
Njaka A.




