35 taonan’ny MNP : Hisongadina ny fanatsarana ny fitantanana ireo valanjavaboahary

Marolafy ny vina entina hanamarihina ny faha-35 taonan’ny Madagascar National Parks. Hampitomboina ny ezaka fanatsarana ny fitantanana ireo valanjavaboahary. Hirosoana koa ny fitantanana niomerika…

“Ao anatin’ny fanamarihana ny faha-35 taonan’ny Madagascar National Parks (MNP), maro ireo hetsika sy vina hanasongadinana ity tsingerin-taona ity”, hoy ny fanazavana nen­tin’ny tale jeneraly, Rako­toa­risoa Ony, omaly, tetsy Am­batobe.
Anisan’ny paikady ny ­ham­panarahana ny teknolojia ny fomba hitantanana ireo valanjavaboahary. Hiroso amin’ny digitalisation na famadihana ho niomerika ny an­gon-drakitra rehetra ny MNP. Hametraka paikady ma­haritra hahafahana miara-miasa amin’ny sehatra tsy miankina sy ny mpamatsy vola eto an-toerana sy any ivelany ihany koa. Vina lehibe ny hananana fahaleovantena ara-bola, ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fizahantany miaro ny natiora…
Mametraka fahatokisana amin’ny MNP ny fanjakana amin’ny fitantanana ny valanjavaboahary, miisa 49, amin’izao fotoana. Porofon’izany ny fametrahana tanteraka ny valanjavaboaharin’i Makay hotantanan’ny MNP. “Tena maha saro-piaro antsika Malagasy ny valanjavaboaharin’i Makay, satria tena kanto loatra ka mahasarotiny antsika”, hoy hatrany ny tale jeneraly. Maro ny vina apetraka mahakasika an’i Makay ka hapetraka ny “circuit” any amin’ny tapany andrefana hampifandray ireo valanjavaboahary telo any an-toerana, dia i Bemaraha sy Isalo ary Makay. Hampitombo ny fidiram-bolan’ny mpisehatra rehetra izany, toy ny mpitaridia, ny tantsaha mamatsy ara-tsakafo ny hotely ary ireo toerana fandraisam-bahiny…

MNP no manana Label
Raha ny eto Madaga­sikara, ny MNP irery ihany no manana Label amin’ny valanjavaboahary izay tantaninay noho ny firindran’ny asa fiarovana sy fitazomana izany haharitra. Manana ny fankatoavana iraisam-pirenena ma­hakasika izany ihany koa. Voasoratra ao anatin’ny vakoka iraisam-pirenena an’ny Unesco izao ny ala maina any Andrefana. Fonenan’ireo ka­razan-javamaniry sy biby tsy fahita afa-tsy eto Mada­ga­sikara ity farany.

Tatiana A

Partager sur: