Anosibe Zaivola : Fiara nivadika, olona roa naratra

Fiara an’olon-tsotra iray nivadika teny amin’ny lalambaovao, anatin’ny fokontany Anosibe Zaivola, boriboritany fahenina, lalana mihazo an’Ambohitrimanjaka, omaly maraina. « Hiakatra ho aty Antananarivo ilay fiara sady nandeha mafy », hoy ny angom-baovao voaray avy amin’ny polisim-pirenena nidina ifotony nijery ny zava-nisy. Nisy bisikileta nanapaka tampoka ka tsy voafehin’ny mpamily intsony ny fiara. Nivadibadika ka niafara tamin’ny loza. « Olona roa no naratra nandritra izany. Tsy nisy aina nafoy », araka ny tatitra voaray teo anivon’ny polisy. Anisan’izany ilay mpamilin’ny fiara. Potika tanteraka ilay fiara miloko fotsy, marika Kia Pride. Vaky ny fitaratra aoriana. Tetsy ankilany, simba ny kodiarana aoriana an’ilay bisikleta. Samy nentina nihazo ny toeram-pitsaboana avokoa ireo olona niharan-doza. Marihina fa matetika hitrangan’ny lozam-pifamoivoizana io lalana io. Mandeha mafy ireo fiara mifamezivezy.

Tsiferana R.

Partager sur: