INDRAY MIJERY

Notanterahina teny Ankatso, tamin’ity herinandro ity, ny fanolorana ampahibemaso ny vokatry ny dinika momba ny “Fanavaozana ny Repoblika” sy ny boky mirakitra ny fehin-kevitra natolotra ho an’ny fitondram-panjakana. Namolavola izany ireo mpampianatra mpikaroka ao amin’ny Fakiolten’ny Teny aman-tsoratra sy ny siansa maha olona (FLSH). Ho fandraisan’izy ireo anjara amin’ny fananganana ny hoavin’ny Firenena sy ny fanamafisana ny fitokisana eo anivon’ny fiarahamonina. Nanatrika ny lanonana ny Praiminisitra, izay nankasitraka ny anjara birikin’ireo mpampianatra mpikaroka sy manam-pahaizana.
Misy ny atrikasa teknika mahakasika ny fanavaozana sy famaranana ny « projet d’établissement (PE) » ho an’ireo lycée teknika sy ivontoeram-panofanana arakasa any Miarinarivo, tamin’ity herinandro ity, nifarana omaly. Nifantohan’ny dinika ny famaranana ireo PE, famolavolana torolalana fanoratana PE ary ny fananganana « grille officielle » ho an’ny fanombanana sy fifantenana ireo PE mendrika indrindra. Tafiditra anatin’ny tetikasa « Bear3 » izany ary sitrahin’ny ivontoeram-panofanana misehatra amin’ny haitao zaitra na ny « Textile, habillement et accessoires ». Miara-misalahy amin’izany ny Direction de l’apprentissage et de la formation initiale, ny Unesco ary ireo mpampiofana avy amin’ny faritra samihafa manerana an’i Madagasikara.
Notontosaina nandritra ny roa andro, tao Toliara, ny atrikasa fanombohana ny tetikasa “Profess” izay fomba fiasa vaovao mikendry ny hanatsarana ny fomba fiasan’ireo mpanentana (AC) miady amin’ny tiberkilaozy sy ny VIH eny anivon’ny fiarahamonina. Miainga avy amin’ny fikarohana teny ifotony ny fomba “Profess” ary manamafy fa ireo AC no fototra iankinan’ny fanamafisana ny fahasalamam-bahoaka, noho izy ireo akaiky indrindra amin’ny vahoaka. Mikendry ny hanamafy ny fandrindrana sy ny fiaraha-miasa amin’ny ambaratonga rehetra, hanatsara ny fiofanana sy ny fanaraha-maso ireo AC ny tetikasa.

Partager sur: