Mpandraharaha notifirin’ny mpamiliny : Nalefa eny Tsiafahy ilay nahavanon-doza

Naiditra vonjimaika eny amin’ny fonjan’i Tsiafahy, ny alarobia lasa teo, ilay lehilahy voarohirohy nitifitra nahafaty ny mpampiasa azy, tetsy Ambohibao, ny zoma 1 mey 2026 lasa teo, rehefa avy niakatra fampanoavana tetsy anivon’ny fitsarana Anosy, tamin’io andron’ny alarobia io. Efa amam-bolana maro no nanomanany iny vono olona maha­tsiravina iny ka tamin’iny vao tanteraka, raha ny fanazavany nandritra ny famotoran’ny zandarimariam-pirenena ny tenany. Fialonana sy valifaty no tena antony namonoany ny mpampiasa azy, raha ny fanazavana voaray hatrany. An­koa­tra izay, nambarany, tamin’izany, fa nisy lehilahy roa hafa niara- nikononkonona nanomana ny asa ratsy taminy. Nohamafisiny fa ny tenany irery no nanatanteraka ny famonoana ka nahafaty ilay mpandraharaha. Nanampy tamin’ny fanomanana ny teti-dratsy ireo namany hafa. Efa nanondro ireo mpiray tsikombakomba ireo izy ary efa voasambotra tany Sambava sy Maromandia ireto farany. Ha­tolotra ny fitsarana ihany koa aorian’ny famotoran’ny zandary.
Tsiahivina fa saoferan’ilay mpandraharaha ity namono nahafaty azy ity. Nalainy ny basin’ny mpampiasa azy, ka iny ihany no nitifirany azy nandritra ny fisakafoany tetsy Ambohibao Antehiroka, ny zoma 1 mey 2026 lasa teo. Nentin’ilay olon-dratsy nitsoaka ny fiara 4*4 iray sy ny basy ary ny kojakoja hafa an’ilay mpampiasa azy. Tratra tany Toamasina moa ny tenany, taorian’ny fampilazana fikarohana momba azy. Andrasana ny tohin’ny raharaha izay iandraiketan’ny zandarimaria ao amin’ny zana-tobim-paritra Ante­hiroka.

Mino

Partager sur: