Zava-dehibe ho an’ny Orange Madagascar ny manamafy ny fifandraisany amin’ ny mpanjifa. Paikady nanatanterahiny izany ny fitetezam-paritra “Roadshow”, hetsika notarihin’ny Tale jeneralin’ny orinasa, Aminata Ndiaye, tany amin’ny faritra avaratry ny Nosy, tao Nosy Be sy Antsiranana, ny alahady teo. Nisy ny fifanakalozan-kevitra mivantana sy malalaka niarahana tamin’ireo mpanjifa sy orinasa tany an-toerana. Tamin’izay no nanambaran’ny mpanjifa iray ny hetahetany sy ny olana misy eo amin’ny tambajotra vao tsy ela.
Ankilany, nitondra fanazavana misimisy kokoa momba ny “Licence globale” izay ahafahana mametraka fotodrafitrasa, manamafy ny asa ary manafaingana ny fanavaozana ny tambajotra ho an’ny tombontsoan’ny mpanjifa sy ny faritra, ny ekipan’ny orinasa.
Fotodrafitrasa
Manitatra ny Backbone any Antsohihy sy Ambilobe ihany koa ny orange Madagascar amin’izao mba hiantohana ny kalitaon’ny fifandraisana maharitra. Tsikaritra nandritra ny Roadshow fa liana amin’ireo tolotra vaovao samihafa ataon’ity orinasam-pifandraisana ny mpanjifa. Toy ny tolotra amin’ny alalan’ ny zanabolana, tolotra ho an’ny orinasa ary ireo zava-baovao ao amin’ny tambajotra.
Fotoana nampahafantaran’ny ekipan’ny Orange Madagascar ny tolotra WiSat sy nanasongadinany ireo vahaolana momba ny fanovana niomerika any amin’ny faritra ihany koa io. Nisy ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ ireo tomponandraikitra sy mpiara-miombon’antoka samihafa nandritra izany.
Henintsoa




