toamasina – Angovo : Ho antoky ny fampandrosoana

Mazava ny paikadin’ny Tetikasa Volobe II CGHV (Com­pagnie générale d’hydroéléctricité de Volobe, II). Ny fahaleovantena amin’ny angovo no antoka hampandrosoana an’i Toamasina. Fantatra izany nandritra ny atrikasa nokara­karain’ny laboratoara Fidepa, ny alatsinainy 11 mey teo. Andrasan’ny CGHV, ny Spat, ny Oniversiten’i Toamasina ary ny Antenimieran’ny varotra ireo fiarahamonim-pirenena sy mpandraharaha maro mifototra amin’ny fampiroboroboana ny angovo. Nafana ny adihevitra noho ny fitovian’ny tanjona, dia ny hialana amin’ny tetezamita ara-angovo sy ny hananana fahaleovantena ary ny hahatongavana amin’ny angovo azo havaozina. Nohamafisin’ny talen-tseraseran’ny Tetikasa Volobe faharoa, Ramatoa Razafindrakoto Annick, fa iray amin’ ireo tetikasa lehibe dimy eto Madagasikara misehatra amin’ny famokarana herinaratra ny CGHV. Vonona ny hanome paikady mazava hisian’ny fizakan-tena amin’ny angovo ho andry fanarenana ara-toekarena an’i Toamasina izy ireo. Izany rehetra izany anefa dia tsy maintsy harahina fampiasam-bola ho fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina ho an’i Toamasina, handraisan’ny rehetra anjara. Andrasana ny ho tohin’ny dinika hanatrarana ny tanjon’ny fampandrosoana ny toekaren’i Toamasina.

Sajo

Partager sur: