Dimy lahy mpanao asa ratsy toy ny vaky trano sy fanendahana voasambotry ny polisy tao amin’ny kaominina Antsirabe, afakomaly. Tratra teo am-panaovana ny asa ratsiny, tao Antsenakely, izy dimy mirahalahy ireo, tamin’ny 12 ora alina.
Valo lahy ireo olona ahin’ireo lasibatra ho nandoro ny tanànany tao Morafeno, fokontany Ambatofotsy, kaominina Andiolava, Faritra Ihorombe, ny 12 mey 2026 lasa teo. Valifaty taorian’ny disadisa no antony nanaovana io fandorana tanàna io, araka ny loharanom-baovao. Miroso amin’ny fanadihadiana ny mpitandro filaminana. Raha tsiahivina, tokantrano 22 tafo hotohoton’ny afo tao Andiolava.
Notanana vonjimaika any am-ponja, omaly, ireo efa-dahy tra-tehaky ny polisim-pirenena teto Antananarivo Renivohitra, nahatrarana zava-mahadomelina teny Anosibe. Nisy tamin’ireo olon-dratsy no mpanao harom-paosy tao Antampontsena, Sabotsy Namehana.
Zazarano tsy nisy aina intsony hita faty tao Tanambao Météo, kaominina Maintirano, omaly maraina. Vao teraka io omaly maraina io ihany ilay zaza, araka ny nambaran’ny mpitsabo nanao ny fizahana. Mbola karohina ny reny nahavanon-doza.




