Mitohy ny fanamboarana ny lalana tena ratsy eo Andranofasika, RN4, hatrany Ambatoboeny (RN33b). Mirefy 20 km ity lalana harenina ity. Toraka izany koa ny amin’ny RN4, eo Ambondromamy hatrany Andranolava. Vola avy amin’ny Tahirimbola ho an’ny lalana (FR) no hanatanterahana ireo asa ireo. Hanamora ny fivezivezen’ny mponina sy ny vokatra ny fahavitan’izany.
Hojerena ny paikadim-pampandrosoana ny seha-pihariana Cacao. Nivoitra izany nandritra ny dinika nataon’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Atao ny adidisisika haneken’ny tsena iraisam-pirenena ny kalitaon’ny vokatra malagasy, ny hanaovana sonia ny fifanarahana iraisam-pirenena momba ity vokatra ity. Hisongadina ao anatin’izany koa ny hametrahana ny didy amam-pitsipika mifehy ny fenitra eto an-toerana.
Tafakatra 4 000 Ar ny kilaon’ny karaoty eny an-tsena, amin’izao fotoana, raha toa ka 2 000 Ar teo aloha. Sarotra ny fitateram-bokatra manoloana ny fiakaran’ny vidin-tsolika ka mahatonga ny fiakaram-bidy, hoy ireo mpivarotra. Vokany, mihena ny mpanjifa. Ireo mpanao hani-masika sisa no mbola mividy vokatra maro, raha ny fanazavana.




