Mitentina 250 tapitrisa dolara ny famatsiam-bola nomen’ny Banky iraisam-pirenena hanohanana ny tetikasa « Accelerating Sustainable and Clean Energy Access Transformation in Madagascar » (Ascent Madagascar). Tanjona ny hisitrahan’ny malagasy maherin’ny 2,5 tapitrisa ny herinaratra sy hampiasana ny angovo madio ho an’ny sakafo.
Hiasa amin’ireo tanàn-dehibe sy faritra ambanivohitra ny tetikasa. Anisan’ireo sehatrasa hatao ny hametraka tambazotra mpitondra herinaratry ny Jirama miisa 200 000 mba hisitrahan’ny mponina manodidina ny 1 tapitrisa ny herinaratra. Havaozaina amin’ny alalan’ny fampiasana ny angovo azo avy amin’ny masoandro sy fitehirizana herinaratra amina vatoaratra ireo tobim-pamokarana herinaratra miisa 30 efa antitra. Tanjona ny hampihena ny fiankinan-doha amin’ny fampiasana ny solika mavesatra, lafo sy maro lany. Ankilany, hiandraikitra ny fametrahana ireo mini-réseaux sy kit solaire ao an-tokantrano ny Agence de développement de l’électrification rurale (Ader). Hanampy hampifandray ireo tambazotra 312 500 sy hampisitraka herinatra ho an’ny mponina hatrany amin’ny 1,5 tapitrisa ireto fampitaovana ireto.
Nahandro madio
Hampiroborobo ny nahandro madio ny tetikasa ka tokantrano manodidina ny 1,5 tapitrisa no hisitraka ny fatana miaro ny tontolo iainana. Kendrena manokana ny hampihena ny fampiasana ny arina fandrehitra sy kitay izay mbola be mpampiasa amin’izao fotoana. Ireto farany, mazàna fototra mandoto ny rivotra sy mandripaka ny ala eto Madagasikara. Marihina fa mbola ny 36% ny Malagasy ihany no misitraka ny herinaratra. Misedra olana ara-bola sy ara-pitantanana ny sehatry ny angovo. Ny Jirama izay anatin’ny fatiantoka tanteraka amin’izao, mbola lafo ihany koa ny saran’ny famokarana. Nilaza ny solotenan’ny Banky iraisam-pirenena eto Madagasikara, Atou Seck, fa « manana ireo tombony rehetra hiampitana amin’ny fanovana sy ny fampiasana ny angovo azo havaozina i Madagasikara ». Notsindriany fa hanome herinaratra azo antoka sy hanohana ny sehatry ny fahasalamana, ny fanabeazana ary ny fampananan’asa ny Ascent Madagascar.
Henintsoa




