Nosantarina ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny dobo filomanosana olimpika ANS Ampefiloha, ny adina ara-panatanjahantena taranja lomano ho an’ny bakalorea 2026 eto Antananarivo.
Manana mpiadina 62 005 Antananarivo amin’ny fanadinana bakalorea 2026 ary nitombo 4% ny taha raha oharina ny tamin’ny taon-dasa. Nahatratra 296 ireo mpiadina ho an’ny taranja lomano ka 163 tovolahy ary 131 tovovavy avy amin’ny Dren Analamanga sy Bongolava izy ireo. Ahitana mpiadina eto Antananarivo Renivohitra, Mahitsy, Ambohidratrimo…, hoy ny nambaran’ny talen’ny ofisin’ny bakalorea eto Antananarivo, Dr Razakarivony Andrianambinina.
Antananarivo sy Toamasina no manana dobo olimpika afaka mandray ny adina taranja lomano ho an’ny bakalorea. Momba ny taratasy fiantsoana, efa voazara mialoha ny adina avokoa ary natsoina mivantana ireo mpiadina tsy naka ny taratasiny. Raha sendra nanadino ilay taratasy fiantsoana ny mpianatra dia afaka niatrika rehefa ao anatin’ny lisitra (omena duplicate ho solony). Nandritra ny adina lomano teny Ampefiloha, mpiadina telo tsy afaka niatrika noho ny toe-pahasalamany ary nisoratra anarana ho an’ny adina am-bava. Hotanterahina ny 24 jolay ho avy izao ny adina am-bava amin’ny taranja fanatanjahantena, hoy ny fanamarihina.
Ny 8 jona ho avy izao no hotontosaina ny adina ara-panatajahantena amin’ny taranja hafa toy ny hazakazaka sy ny taranja iraisana ary haharitra herinandro ny fanatanterahana azy. Efa vita avokoa ny adina ara-panatanjahantena ho an’ny foibem-panadinana manodidina an’Antananarivo : Firavahana, Manjakandriana, Mantasoa Anjozorobe, Fenoarivobe. Ireo foibe ao Ambohidratrimo, Antananarivo Renivohitra, Atsimondrano sy Avaradrano no natomboka ny sabotsy lasa teo teny amin’ny dobo filomanosana Ampefiloha.
Miara-miasa amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena, mpitandro filaminana minisiteran’ny Tanora sy fanatanjahantena ary ny hopitaly ny mpikarakara. Misy ambulance miantrana eny an-toerana mandritra ny adina ara-panatanjahantena ary mpampianatra certifié no mampiadina, hoy ny filoha lefitry ny oniversiten’Antananarivo, profesora Ranarivony Richard.
Vonjy




