Manohy ny ady amin’ny fiparitahan’ny entana lany daty manerana ny Nosy ny ekipan’ny minisiteran’ny Varotra sy ny fanjifana. Maro ireo entana tratra sy nogiazana, hanokafana fanadihadiana kosa ireo mpivarotra tsy manaja ny fenitry ny fivarotana. Tao Andakabe sy Namahora, faritra Menabe, dibera miisa 29 no tratra ka handraisana fepetra. Nahatrarana ranom-boankazo 17 tavoahangy lany daty sy fromazy 6 boaty nisy daty hosoka tao amin’ny kartie Mahavoky atsimo, faritra Boeny. Nampanantsoina eny amin’ny tomponandraikitra mahefa kosa ny mpivarotra iray nahatrarana fromazy 2 boaty, efa lany andro, tao Mahatsinjo. Hanaovana famotorana ihany koa ny mpivarotra iray nahatrarana entana tsy tokony hamidy sy efa simba tao amin’ny tsena Tanambao sy andrefantsena, faritra Ihorombe. Nogiazana avy hatrany ny vatomamy iray fonosana sy fromazy ary dibera lany daty tao amin’ny tanàna Ambony sy Antsenakely Ambozontany, Matsiatra ambony. Noesorina kosa ireo entana tsy manaraka ny fenitra tao amin’ny kaominina Andrea, 25 km miala an’i Maintirano. Nomena fampitandremana kosa ireo nahitana izany. Mbola hitohy ny fanaraha-maso eny amin’ny tsena manerana ny Nosy.
Henintsoa




