Mirongatra ny trangam-pahafatesana tampoka eny rehetra eny, raha ny fanadihadiana natao teo anivon’ny tranom-patin’ny hopitaly bé Toamasina. Anisan’izany, ny raim-pianakaviana iray 45 taona izay nitsirara tampoka teo amin’ny tsenan’ny Valapinson ny zoma 15 mey lasa teo. Nilaza ho mangetaheta ary nangataka rano ho sotroina ity lehilahy ity. Naka malomaloka izy rehefa avy nisotro izany. Nanomboka nitambotsitra izy taorian’izay ary tapitra ny ainy, raha ny fanazavan’ireo olona nanatri-maso. Tsy nahitana taratasy momba azy teny aminy. Tonga naka ny razana sy nanatitra izany teny amin’ny tranom-patin’ny hopitaly be ny sampandraharaha misahana ny fahafatesana an-dalana sy fahadiovana eo anivon’ny kaominina. Fantatra nandritra ny fizahana nataon’izy ireo fa vokatry ny fisotroana zava-pisotro misy alikaola diso tafahoatra no nahafaty ity olona ity. Etsy ankilany, nanampy tosika izany, ny tsy fahampian-tsakafo azy nandritra izany. Mbola tsy tonga naka sy nijery ny razana teny amin’ny tranom-paty ny fianakaviany. Tsy maintsy halevina any amin’ny fasana voatokana amin’izany, ny razana raha tsy misy maka.
Sajo




