Tato ho ato, nahery vaika sy nisesisesy ny fitsikerana ny fitondrana. Amin’izany, mazava ny tenin’ny filohan’ny Fanavaozana ny Repoblika fa tsy mivaona amin’ny fanavaozana ny fitondrana tarihiny. Eo ny fanomanana ny fikaonandoham-pirenena hanomboka amin’ny 3 jona. Toy izany koa ny fanomanana ny zotram-pifidianana, efa an-dalana amin’ny fanavaozana manontolo ny lisi-pifidianana Ceni vaovao. Farany, ny famaliana ny hetahetam-bahoaka amin’izay tena maika: ny famatsian-jiro sy rano. Eo ny tsirairay mamaly izay tsapany sy iainany andavanandro. Efa nisy ve ny fiovana? Na fanavaozana… Lanja miakatra ny fiainana? Na refy midina ny fitsikerana lava izay mitranga sy atao rehetra… Ny tena ihany no antony.
Tsy inona fa izay isian’ny fifampitokisana. Aleo matoky tapany toy izay mangovitra erany? Na atokisana amin’ izay lazainy sy ataony ny mpitondra isan-tsehatra sy isan’ambaratonga… Atao izay lazaina, lazaina sy atao. Ny fanazavana mitohy sy amin’ny antsipiriany no hisian’ny fifampitokisana. Ahoana marina, ohatra, ny any amin’ny fikaonandoham-pirenena hoe miainga eny ifotony na fokontany, andraisan’ny Malagasy rehetra anjara, tsy misy hevitra avela… Tenenina izany ka mora, fa mby ny fanatanterahana? Na ny fanazavana ahay… Iza avy no tena handray anjara, ny toerana hanaovana azy, ny datin’ andro sy ny faharetany, ny lohahevitra, ny dingana arahina… Zavontany ny fanontaniana, hisian’ny fitokiana ho amin’ny fifampitokisana.
Na izany aza, ny toky fitokiana, fa ny atao no hita. Raha tena manao sy mahatanteraka izay lazainy ny mpitondra ary milaza izay hotanterahina. Izay ny antony sy antoky ny fifampitokisana: tsy hisy ankamantatra, eo am-pandrasana mahita ny atiny, kitsapatsapa, fitsikerana, fanomezan-tsiny… Alao hery!
R. Nd.




