Malagasy mpibata fonjamby nitondra avo ny voninahi-pirenena tany Egypte, Ramiaramanana Elariont Ricardo. Maniry ny hifaninana amin’ny lalao olympika izy. Nigadona an-tanindrazana, omaly, ny delegasionina malagasy, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja fibatana fonjamby, izay natao tany Egypte, ny faran’ny herinandro teo. Nirarakompana ny medaly azon’ny malagasy, izay mitotaly 14 be izao. Anisan’ny nandrombaka ny medaly volamena 3 i Ricardo, teo amin’ny sokajy 60 kg, rehefa nibata 110kg teo amin’ny “arraché”, 140kg teo amin’ny “épaulé jeté” ary 250 ny “total olympique”. Faniriany ny hifaninana amin’ny lalao olympika raha ny nambarany, teny amin’ny seranam-piaramanidina Ivato, omaly. Tsy mora anefa, hoy izy, ny hahatongavana amin’izany fa mila fikirizana sy ezaka mafy. ” Mila miatrika fifaninanana iraisam-pirenena maro aloha, ary maka medaly araka izay tratra”, hoy ny nohamafisin’i Ricardo. Hiatrika fiadiana ny tompondakan’i Afrika manaraka indray i Ricardo tsy ho ela, raha ny nambarany ary hanatsara hatrany ny zava-bitany. Tsiahivina, atleta 6 mianadahy no niatrika ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika natao tany Egypte ity. Nahazo medaly volamena tamin’ny alalan’i Tojo sy i Ricardo i Madagasikara. Nahazo medaly volafotsy 4 sy alimo 3 kosa, tamin’ny alalan’i Havotra, i Shainah ary i Tsiky.
Mi.Raz




