Olona an-jatony, narary tratran’ny fahapoizinana ara-tsakafo tany Ambatomanohina ny alakamisy lasa teo. Nihinana sakafo namidy nandritra ny fampisehoana nataona mpanakanto iray tany an-toerana ireo olona ireo. efa manaraka fitsaboana ao amin’ny hopitaly Ambatomanoina, Analaroa izy rehetra.
Raim-pianakaviana iray, maty notifirin’ny dahalo tany Amboronabo, Sakaraha, omaly tamin’ny 3 ora tolakandro. Nosakanan’ny dahalo miisa telo teny an-dalana ny olona roa mianaka avy namonjy fahoriana tany Andranomaitso. Notifirin’izy ireo ilay raim-pianakaviana ka voatifitra teo amin’ny filahiany izy ka nitarika tamin’ny fahafatesany. Lasa nitsoaka ireto farany taorian’ny asa ratsiny.




