Mahatratra 40 ny « escale » ataon’ireo sambo mpitondra mpizahatany ho avy eto Madagasikara ny taona 2026-2027. Hetsika manomboka ny volana novambara ka hatramin’ny marsa, ny taona ho avy. Tanjona ny hanamafy sy hanatsara ny toerana misy an’i Madagasikara eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Mikasa hanao « escale » miisa 5 eto amintsika mandritra ny vanim-potoana voalaza etsy ambony koa ilay sambo lehibe MSC Cruises ka hitondra mpandeha 3 000 ka hatramin’ny 7 000 isaky ny dia.
Nampitaha sy nanamarina ny antontanisa momba ny jono lamatra nandritra ny taona 2025 ireo mpisehatra. Tanjona ny hananan’i Madagasikara antontanisa tokana momba ny lanjan’ny trondro voajono, ny karazana fanjonoana nampiasaina, ny faritra nisy ny jono, ary ny karazana lamatra voakasika. Hojerena sy hampifandraisana amin’ny antontanisa vaovao avy amin’ny rafitra samihafa ireo voahangona. Kendrena ny hampihena ny elanelana na ny fahasamihafana hita, ary hanamarina ny antontanisa nasionaly.
Nisitraka masomboly vary milanja 8,95 taonina (t) sy zezika 24 t ireo tantsaha 2 165 avy amina kaominina enina ao amin’ny faritra Fitovinany. Tanjona ny hanohanana azy ireo hiatrika ny taom-pambolem-bary 2026. Nahazo masomboly vary 12 sy zezika « urée » 32 t ihany koa ny tantsaha miisa 2 829 avy ao amin’ny kaominina Ranomafana, Ambiabe, Kianjavato, Ambohimiarina II, Antsenavolo ary Andonabe. Faritra Vatovavy. Tanjona ny hahatsara ny vokatra sy hiantohana fambolena maharitra.




