Andoharanofotsy : Lehilay iray maty nianjera tamin’ny moto

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tetsy Andoharanofotsy, omaly alina, tamin’ny 12 ora sy sasany tany ho any. Niseho teo amin’ny fokontany Maha­lavolona, kaominina ambanivohitra Andoharano­fotsy, distrikan’ Antananarivo Atsi­mon­­drano ny loza. Lehilahy iray 25 taona, nitondra moto avy any amin’ny lalam-pirenena fahafito iny no niharan-doza. Nandeha mafy izy ary nianjera rehefa nandalo teo amin’ny lalana miholaka. Nidona mafy tamin’ny zorom-bato tamin’ny sisin-dala­na ny lohany ka torana tsy nahatsiaro tena izy. Vokany maty tsy tra-drano izy, raha ny fanazavan’ny olona nanatri-maso ny zava-nisy teny amin’ny manodidina. Nampandre ny zandarimariam-pirenena ny olona nahita ny tranga. Tsy niandry ela fa tonga teny ifotony nijery ny zava-nisy sy nanao ny fanadihadiana ny zandary avy ao amin’ny tobim-paritra Andoha­ranofotsy niaraka tamin’ny mpitsabo. Noho ny hamafin’ny dona nahazo azy teo amin’ny lohany no nitarika azy tamin’ny fahafatesany, raha ny fizahan’ny mpitsabo. Tombanana ho tsy nahatana ny familiana izy ka nampianjera azy. Entanina hatrany ny mpamily rehetra hanaja ny hafainganam-pandeha mba hisorohana ny loza tahaka izao. Anisan’ny mahatonga ny loza rahateo ny fandehanana mafy ka mety tsy ho voafehy ny familiana.

Mino

Partager sur: