Mila hazavaina

 

Fikaonandoham-pirenena hoe? Inona marina dia rahoviana, Iza no mpikarakara dia inona no tanjona? Manitikitika ny sain’ny vahoaka madinika ihany ilay zava-miseho. Manomboka ny an-dry zareo mpitondra fivavahana. Izay tsy voafaritra mazava hoe vatsian’ny fanjakana vola ve? Satria raha ny fanambaran’ny kolonely, Filoham-panjakana raha vao nandray ny toerany izy dia ny raiamandreny am-panahy no hitarika izany.
Afaka herinandro iray na roa, efa hanomboka koa ny an’ny minisiteran’ny Fanavaozana. Tena andraikitry ny fanjakana tanteraka izy ity. Mandroso mihemotra rahateo ka mahasanganehana. Raha ny zava-misy eny ifotony, efa samy manao ny azy eny ny isaky ny vondrona na sampandraharahana isan-karazany misahana ny raharaham-panjakana. Misy ny hetsika etsy sy eroa, lazaina fa fikaonandoha, kanefa tsy mahasarika olona akory. Ny fanakianana amin’ny peta-toko sy ny zara fa vita aza no maro misongadina eny amin’ny tambajotran-tserasera. Mifanilika andraikitra sy tsy fahombiazana ny tsirairay.
Iza anefa no homen-tsiny amin’ny fifanjevoana tahaka izao? Ilay vahoaka malagasy sy ny mpanao politika efa mampiaka-peo fa maika hanao fifidianana. Man­dondona amin’ny fitarozahan’izay noheveriny ho fanavaozana. Tsy miroso ny dia na inona na inona miseho. Ny kivorivory efa ampy atao maridrefy rahateo amin’ny anjara biriky nentin’ny mpikarakara. Tsy mila antontan’isa fa ny fandraisana anjara na andraikitra ny zava-dehibe. Ampy hanombanana ny fahombiazana ny fanatanterahana ny fihaonana sy ny famoahana fehin-kevitra.
Mampandini-tena ny fivoaran’ny raharaham-pirenena, ankehitriny. Manitikitika ny atifanahin’ny tena tia tanindrazana. Miorina ambony kisarisary sy vonjy tavanandro ny zava-drehetra, hany ka tsy ahafahana tena mamaritra ny lalan-kizorana marina sy ny tetezana tena izy ho enti-miampita any amin’ilay Repoblika fahadimy. Miandry ny fahatsapan-tena sy ny fahadiovam-po ny tsirairay ho an’ny tena fihavaozana sy fanavaozana tena izy.

r.r

 

Partager sur: