Teknolojia niomerika: Andry iankinan’ny fampandrosoana

Manan-danja amin’ny fampandrosoana ny firenena sy ny fiainan’ny mponina ny fampiasana ny teknolojia niomerika. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro iraisam-pirenana ho an’ny fifandraisan-davitra sy ny fiarahamonina ara-niomerika, ny alahady teo. Mitohy ny ezaka ho an’i Madagasikara hanatsarana ny tambajotram-pifandraisana manerana ny Nosy. Ny taona 2024, mahatratra 80% ny taham-pandrakofana ny tambajotra 4G. Tafakatra 98% izany ho an’ny tambajotra 3G, raha ny antotanisa navoakan’ny Artec. Tokony hivelatra ny fidirana amin’ny tolotra niomerika mba hisian’ny fifaninanana eo amin’ireo orinasam-pifandraisana. Mila ahena ny elanelana ara-niomerika, indrindra ho an’ny tanàn-dehibe sy ny any ambanivohitra. Tanjona ny hampiroboroboana ny fampianarana ambony, ny tontolon’ny asa, sns.
Mila tohanana ny fanavaozana sy ny fahaiza-manao ara-teknolojia izay mitondra avo ny voninahi-pirenena any ivelany. Kendrena ny hampiasa ny niomerika ho fitaovana enti-mampandroso ny firenena amin’ny alalan’ny fikarohana sy enti-manatsara ny fiainan’ny olom-pirenena. Mandray sehatra maro lafy ny teknolojia niomerika. Toy ny fanabeazana, miantoka ny fahasalamana mba hifanaraka ny fi­voaran’ny siansa. Andry iankinan’ny fandraharahana izy io enti-mampandroso ny famokarana sy ny fampahafantarana ny fahaiza-manao eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Ankoatra izay, mandray anjara amin’ny fitantanan-draharaham-panjakana sy ny fanavaozana maro samihafa ny teknolojia ho an’ny fampandrosoana ny firenena.

Henintsoa

Partager sur: