Nitondra fanazavana ny tale jeneralin’ny Madagascar National Parks (MNP), Rakotoarisoa Ony, fa tsy maintsy hiakatra 100% ny saram-pidirana eny amin’ireo valanjavaboahary 49 tantanan’izy ireo.
Efa tamin’ny taona 2014 io saram-pidirana io ary tsy nihetsika mihitsy tao anatin’ny 10 taona. Efa fotoana hiakarany izao, hoy ny filankevi-pitantanan’ny MNP izay efa nivory niaraka tamin’ireo mpisehatra efa hatramin’ny herintaona.
Hihatra amin’ny volana novambra izao ny fampiakarana ny saram-pidirana rehefa nahemotra herintaona, araka ny fangatahan’ireo mpiantsehatra.
Ny 65% ny vola azo amin’ireny saram-pidirana ireny dia natao hiarovana sy hanaraha-maso ny zavaboahary ao anaty vala tantanan’ny MNP. Ny 20% ho an’ny vondron’olona ifotony hiatrehany ireo tena filana fototra mba tsy handripahany ala. Ny 10% ho an’ny fampitaovana sy entina hanatsarana ny fotodrafitrasa eny an-toerana ary ny 5% dia ho amin’ny fitantanana.
Antony ananan’ny MNP fahaleovantena ara-bola mba tsy hiankinandoha loatra intsony amin’ny mpamatsy vola ihany koa ny vidim-pidirana amin’ireny valanjavaboahary ireny.
Betsaka ny tsindry mahazo ny valanjavaboahary, indrindra ny afo sy ny hafitsok’ireo olona mpifindra monina ary mitaky asa betsaka izany.
Tatiana A




