Hita faty tao anaty rano ny lehilahy iray lefitry ny ben’ny Tanàna, tao amin’ny kaominina Marondry, distrikan’Ankazobe, afakomaly. Niala ny trano fonenany io lehilahy io, ny alahady 18 mey tolakandro. Tsy niverina an-trano intsony izy taorian’izay. Nampiahiahy ny fianakaviany ny fanjavonan’io havan’izy ireo io tampoka. Nanao fikarohana izy ireo saingy tsy nahita na inona na inona. Olona iray no natsingevan’ny rano tao amin’ny fokontany Andranolava, Miarinarivo Atsimo, kaominina Marondry, ny alatsinainy maraina tamin’ny 10 ora. Nampandre avy hatrany ny mpitandro filaminana sy ny tomponandraikitra ao an-toerana ireo nahita izany. Natao ny fizahana ny vatana mangatsiakan’io olona hifa faty io. Voamarina fa ilay lehilahy atao hoe « Adjoint Ratôma » io maty io. Mpiasa eo anivon’ny kaominina ao an-toerana izy, lefitry ny ben’ny Tanàna. Tsy nahitana ratra na mangana tamin’ny faritry ny vatany. « Nisolifatra tampoka tao anatin’ny rano izy ka nitarika ny fahafatesany », araka ny voka-pitiliana nataon’ny mpitsabo avy eo anivon’ny CSBII Marondry. Natolotra ny fianakaviany ny nofo mangatsiakan’io lehilahy io, taorian’izay.
Ankoatr’io, lehilahy iray hafa 74 taona, hita faty tao Ambodirano, fokontany Ankazobe, kaominina Ambohimanga Rova, distrikan’Antananarivo Avaradrano, afakomaly. Tsy nody tao amin’ny trano fonenany io raim-pianakaviana io, ny alin’ny alahady 18 mey, araka ny fitantaran-janany. Fatin’ilay raim-pianakaviana hany sisa hitan’izy ireo nony maraina. « Matin’ny hatsiaka tafahoatra io olona io », hoy ny mpitsabo nanao fizahana.
Tsiferana R.




