TSELATRA

Lehilahy miisa roa voasambotry ny zandary tao Mahitsy, omaly tamin’ny 1 ora maraina. Tratra nangalatra kisoan’olona tao Avaraparihy, fokontany Ambohitsilaizina, kaominina ambanivohitra Mananjara izy ireo. Nanao ny fikarohana ny zandary ka tratra teny am-pitondrana izany ireto olon-dratsy ireto. Nentina nanaovana fanadihadiana izy ireo.
Lehilahy iray hita faty feno ratra sy ra, tao amin’ny fokontany Amparafaratany, kaominina Ana­lavory, afakomaly. Hitan’ny fokonolona nitsirara tamin’ny tany izy io ary nahitana ra nihosona tamin’ny akanjony. Nampandre avy hatrany ny lehiben’ny fokontany sy ny tomponandraikitry ny filaminana avy hatrany ireo mponina ao an-toerana. Noratraina tamin’ny zava-maranitra ny tendany ary nisy ratra lehibe koa teo amin’ny lohany.

Partager sur: