Varotra eto Afrika : Hatsangana ny komitim-pirenena ho an’ny Zlecaf

Hanampy an’i Madagasikara hamolavola paikady sy hitrandraka ny tsena afrikanina ny fametrahana ny komity hanara-maso ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf). Ivondronan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina ity vondrona ity.

Manomana ny fidirana ao anatin’ny Faritra malalaka ara-barotry ny kaontinanta afrikanina (Zlecaf) i Madagasika. Natao omaly, ny atrikasa niarahana tamin’ny Banky afrikanina ho an’ny Fampandrosoana (Bad) hananganana ny komitim-pirenena ho an’ny Zlecaf ivondronan’ny rafi-panjakana sy ny sehatra tsy miankina. Ken­drena ny hanaraha-maso ny politikam-pirenena momba ny varotra ivelany. Ho laharam-pahamehana ny fampiroboroboana ny vokatra malagasy hiditra eo amin’ny tsenaben’i Afrika. Hanamafisana ihany koa ny fifaninanana eo amin’ny vokatra sy ny tolotra ka hanamorana ny fampivelarana ny toekarem-pirenena eo amin’ny sehatra isam-paritra sy iraisam-pirenena izany. Ho vaindohan-draharaha ny ha­no­hanana ny mpandraharaha hiditra eo amin’ny tsena ivelany mba hahafahantsika manararaotra ny tombontsoan’ny tsena afrikanina. « Hanaraka ny fivoaran’ny fanoloran-tena antsika sy hitarika ny fampiroboroboana ny fanondranana mankany ivelany ny rafitra apetraka. Tanjona ny hampifandanja ny varotra ivelan’i Madagasikara mba tsy ho firenena mpanafatra isika fa ho firenena mpanondrana », hoy ny tale jeneralin’ny varotra eo anivon’ny minisiteran’ny Varo­tra sy ny fanjifana (MinCC), Rajohnson Tiava.

Vina

Nivoitra tao anatin’izany fa hanaraka ny fepetra mifanaraka amin’ny fifanakalozana ara-barotra ny komity.
Fanamby ho an’i Madaga­sikara ny hahazo ny ampahany amin’ny tsena afrikanina izay mety hahatratra mpanjifa hatrany amin’ny 2,5 miliara amin’ny taona 2050. Sehatra stratejika mahasiraka ny tsena afrikanina ny lamba sy ny kojakoja, ny vokatra ara-pambolena voahodina ary ny tolo-draharaha samihafa. « Efa nisy ny ezaka fohy ezaka natao nanomboka ny taona 2024 izay nametrahana ny paikadim-pirenena momba ny Zlecaf. Tao ihany koa ny fandalinana maro nijerena ireo sehatra tokony hamafisina. Ny fandraisana ny varotra ivelany iarahana amin’i Afrika ary ireo endrika fanohanana ho an’ny vehivavy mpandraharaha », hoy ny mpandrindra ny « Projet d’Appui » (PA) Zlecaf, Ramananarivo Heriniaina.

Henintsoa

Partager sur: