Fanjifana : Miantoka ny fifampitokisana ny lanja marina

Manamafy ny fifaninanana eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ny fanajana ny refy sy lanja amin’ny famokarana sy ny indostria. Nivoitra izany nandritra ny fankalazana ny Andro maneran-tany momba ny refy sy ny lanja, omaly. “Tanjon’ny fankalazana ny hiarovana ny mpanjifa, indrindra amin’ny lafiny lanja sy refy mba hisorohana ny hala-danja sy ny tsy fanarahan-dalàna”, hoy ny minisitry ny Varo­tra sy ny fanjifana, Andriamadison Haingotiana. Laharam-pahamehan’ny minisitera ny manara-maso izany ho fiarovana ny mpanjifa. Ankilany, nankatoavina nandritra ny filankevitry ny governemanta sy ny filankevitry ny minisitra ny volavolan-dalàna hametrahana ny rafitra manara-penitra momba ny refy sy ny lanja.
Nomarihina tamin’ny famelabelaran-kevitra mahakasika ireto fitaovana fampiasa eny an-tsena ireto ny andro, omaly. Narahina fitsidihana ny foiben-toeran’ny sampandraharaha misahana ny refy sy lanja eo anivon’ny minisitera, tetsy Soarano. Fotoana nampisehoana ihany koa ireo fitaovana vaovao ampiasaina. Nanotrona ny fankalazana ireo tomponandraikitra maro avy amin’ny minisitera samihafa, ireo avy amin fikambanana mpiaro ny zon’ny mpanjifa ary ny teknisianina isan-tsokajiny.

Henintsoa

Partager sur: