Taorian’ny fanapahan-kevitra noraisin’ny tomponandraikitry ny fifaninananam-pirenena (PFL), omaly, nanamafy ny Cosfa fa tsy hanaiky ny hanaovana an’ilay “penalty” ry zareo, fa manaiky kosa ny hanohizana ny lalao.
Nanatanteraka valandresaka ho an’ny mpanao gazety tetsy amin’ny minisiteran’ny Foloalindahy (MFA), ireo tomponandraikitra anivon’ny ekipan’ny Cosfa miaramila, omaly. Nambaran’izy ireo, tamin’izany, fa manaiky ny hanohizana ny lalao ry zareo, saingy mitsipaka ny hanaovana ilay “penalty” ho an’ny ekipan’ny CFFA Andoharanofotsy.
“Manaiky ny hanohizana ny lalao izahay, saingy tsy ekenay ilay resaka penalty, satria iny ilay efa tsy nekenay ka nampitsahatra an’io fihaonana io, teo amin’ny faha-78 minitra nilalaovana”, hoy ny général de brigade, Rakotondrabary Eric, izay misahana ny fitaleavana ny Fanatanjahantena sy ny kolontsaina eo anivon’ny Cosfa.
Nambaran’ity jeneraly ity ihany koa fa efa nandefa taratasy mirakitra soso-kevitra avy amin’izy ireo, hahitana ny marimaritra iraisana, any amin’ny tomponandraikitra, ny Cosfa. Anisan’izany ny hanohizana ny lalao, amin’iny isa 2 no ho 2 iny ihany, ary atomboka ny faha-78 minitra, saingy tsy asina an’ilay “penalty”, mahazo karatra mavo ilay mpilalaon’ny CFFA, izay hita fa nanao karazana “simulation”. Ny soso-kevitra hafa kosa dia ny hamerenana ny fihaonana tanteraka amin’ny isa, 0 no ho 0, tsy misy fifanandrinana miverina sy mandroso intsony. Izay resy amin’izany no mihintsana, ary hatao any amin’ny kianja “neutre” sy tsy hatrehin’ny mpijery.
Nilaza ireo tomponandraikitry ny Cosfa fa efa mikarakara taratasy hametrahana fitoriana an’ilay mpitsara an’iny lalao iny eny amin’ny fitsarana ry zareo. Amin’izy ireo, tahaka ny misy endrika kolikoly ihany ny zavatra tahaka ireny.
Hatao anio
Raha tsy misy ny fiovana farany, araka ny tapaky ny CFEM, hotohizana anio, ao amin’ny Kianjan’ny Elgeco Plus By-Pass, ny fihaonana mandroson’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Cosfa miaramila. Manomboka ny faha-78 minitra izany, ary ireo mpilalao anaty taratasim-pilalaovana ihany no miatrika izany. Hatomboka avy hatrany amin’ny “penalty” ny fihaonana eny an-toerana.
F.R




