Vita ny 82% ny lalana RN5, Soanierana Ivongo mankany Vahibe. Mitotaly 75 km ity ampahan-dalana ity, ka efa vita fandravonana ny 65 km. Miisa 7 ny tetezana eo am-pamaranana. Eo am-pametrahana ny andry tongony (poutre) ny tetezana faha-8 any Vahibe. Miisa 119 amin’ny 127 hatao ny tetezan-kely « dalots ». Vinavinaina ho vita amin’ity taona 2026 ny asa manontolo. Famatsiam-bola avy amin’ny Banky sy mpamatsy vola arabo, tantanan’ny Agence routière no hanatanterahana izany.
Nisy ny fivoarana sy ny ezaka nataon’ny governemanta malagasy momba ny fitantanan-draharaham-panjakana. Nahatsapa izany ny solontena ara-barotry ny fanjakana amerikanina misahana ny Agoa, Jamieson Greer, nandritra ny fivoriana nataon’ny FMI sy ny Banky iraisam-pirenena. Torak’izany koa ny lafiny fahafaha-mifaninana sy ny mangarahara. Nomarihiny fa manana ny lanjany lehibe ny sehatry ny lamba sy ny indostria eto Madagasikara.
Mivoaka isan-kerinandro ny taham-panakalozana vola vahiny, ampiharin’ny Fadintseranana malagasy. Kajiana araka ny salanisa amin’ny tahan’ny sandam-bola avoakan’ny Banky foiben’i Madagasikara io taha io. Mivoaka herinandro mialoha io fampahalalana ny taha io mba hahafahan’ny mpandraharaha mandamina ny famoahana sy ny fanondranana entana. Ho an’ny 25 mey, nisanda 4 854,24 Ar ny 1 euro, ary 4 172,36 Ar ny 1 dolara.




