Nivoaka omaly, ny lisitra ofisialin’ny ekipa malagasy Ankoay, lahy sy vavy, hiatrika ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety lalaovin’olona 3, izay hatao any Cameroun, ny 1 hatramin’ny 7 jona ho avy izao. Eo amin’ny sokajy lehilahy, mandrafitra ny ekipa i Solondrainy Alpha Arnol, Rakotovao Marco, Randriamampionona Elly ary Rasolomanana Anthony Nelson. Eo amin’ny vehivavy kosa, i Sambatrarimiora Tokiniaina, Jaofera Minaoharisoa Christiane, Randriantahiana Ravaka Sarobidy ary i Hajanirina Muriel. Samy nahitana fiovana kely avokoa ireo mpilalao na ny sokajy lehilahy izany, na ny sokajy vehivavy. Rakotovao Marco nanolo an-dRatinarivo Livio, raha toa ka nosoloin’i Hajanirina Muriel kosa, Andriamihajanirina Sydonie. Eo amin’ny mpanazatra indray, Randrianarivelo Jean de Dieu no misahana izany eo amin’ny sokajy lehilahy, raha toa ka Rakotonindrina Eli Mickael ny eo amin’ny vehivavy.
Tsiahivina fa hanainga ny zoma 29 mey izao ny delegasionina malagasy hihazo an’i Cameroun. Hatreto, miatrika irery ny fandehanan’ny delegasionina malagasy ny federasionina malagasy ny basikety, miaraka amin’ireo mpanohana azy ireo. Manao antso kosa anefa izy ireo, ny amin’ny andraikitra tokony horaisin’ny fanjakana.
Mi.Raz




