Fiara nivadibadika : Olona roa maty, sivy naratra mafy

Nivadibadika ny fiara mpitatitra olona iray, teny amin’ny lalam-pirenena fahafito, omaly maraina. Mpandeha roa tao anatiny maty tsy tra-drano. Sivy hafa naratra mafy. Nandeha mafy ny mpamily ka tsy nahatana ny familiana, nahatonga ny loza.

Nitrangana lozam-pifamoivoizana namoizana aina indray tany amin’ ny lalam-pirenena fahafito, omaly maraina tamin’ny 3 ora tany ho any. Nitranga teo amin’ny PK 217+150 teo Irano, fokontany Fandrianjato, kaominina ambanivohitra Ilaka Centre, disitrikan’Ambositra ny loza. Fiara mpitatitra olona, no niharan-doza rehefa niditra fiolahana. Nandeha mafy ny mpamily ary tsy nahatana ny familiana izy rehefa niditra ny fiolahana ka nivadika ny fiara nentiny. Niala lalana ny fiara ka nivadibadika ary nianjera teo amin’ny arabe. Vokatry ny hamafin’ny fivadibadihan’ny fiara, olona roa, mpandeha (lehilahy iray sy vehivavy iray) tao anaty fiara, no maty tsy tra-drano teo no ho eo. Olona sivy hafa naratra mafy ary efa nentina nihazo ny hopitaly ao amin’ny CSBII Ilaka Centre, taorian’ny loza. Avy any Tsiroanomandidy, hihazo an’­ Ambositra ity fiara niharan-doza ity, raha ny fanazavana voaray. Mpandeha 27 no tao anaty fiara.
Tonga teny an-toerana nitrangan’ny loza ny avy amin’ny zandarimariam-pirenena avy ao amin’ny tobim-paritra Ilaka Centre, nijery ny zava-misy sy nanao ny fanadihadiana rehetra. Fantatra nandritra ny fanadihadiana nataon’ny zandary fa nandeha mafy ny mpamily ka nitarika ny loza. Notananana sy nentina natao andrimaso eny amin’ny biraon’ny zandary ny mpamilin’ilay fiara niharan-doza.
Mpitondra moto iray torana tsy nahatsiaro tena
Ankoatra izay, lehilahy iray nitondra moto, niharan-doza tetsy Sabotsy Namehana, omaly maraina. Nikasa hisongona fiara iray teo alohany izy no nianjera ka nidona mafy tamin’ny fiara sprinter iray nifanena taminy. Vokatry ny hamafin’ny dona, naratra mafy ka torana tsy nahatsiaro tena ity farany. Raha ny angom-baovao voaray, mponina avy eny Ambohitrarahaba ity niharam-boina ity ary teny an-dalana hamonjy asa. Nen­tin’ilay fiara nifandona taminy tany amin’ny hopitaly moa izy taorian’izay.
Tsiahivina fa mirongatra ny lozam-pifamoivoizana na­moizana aina sy naharatrana olona tato ho ato. Antony mahatonga izany ny fandraisana zava-pisotro misy alikaola sy ny fandehanana mafy ary ny fisongonana mampidi-doza. Entanina hatrany, araka izany, ny mpamily rehetra mba hanaja ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana, hisorohana ny loza.

Mino

Partager sur: