Mahoraka indray aloha ny governemanta iaraha-mitantana. Sivy volana aty aorian’ny nandraisan’ny miaramila ny fahefana, hiverina tsikelikely amin’ny laoniny ny zava-drehetra. Toa hihavana daholo indray ny olon-drehetra. Havalona tsikelikely ny adilahy politika. Hiroso ny fifampiresahana an-databatra boribory. Iarahana indray ny dia mankany amin’ny fifidianana.
Izany no malaza! Ny tonta no havadibadika, ny vao indray hatsikafokafona. Mifamenofeno eny ny zava-drehetra. Andrasana izay tena vaovao marina sy ofisialy. Ny zava-dehibe ho an’ilay Madagasikara aloha, efa mandeha sy miroso ny fikaonandoham-pirenena. Efa mandeha ny savaranonando, izay ifandrombonan’ny raiamandreny am-panahy sy ny minisitera na ny fanjakana.
Ny hevitra tera-bary, ny taon-trano rahateo tsy efan’ny irery. Tanindrazana no resahina sy hitadiavana ny lalan-kivoahana. Maninona tokoa raha mba mifanolo-tanana an-karihary. Ny mifampiresaka sy mifampiraharaha antsokosoko mantsy efa heno sy miely ny fisiany. Manana fifanarahana ambadimbadika any daholo ny rehetra. Tsy voatery ho hain’ny valalabe nampandriana.
Zava-dehibe ho an’ny Malagasy tsivakivolo ny filaminana. Ny fiaraha-mivoaka amin’ny kirizy. Tsy azo tsinontsinoavina ny lanjan’ny fihavanana sy ny fifamelana. Velona miara-miriaria eto. Maty miara-milevina eto. Isaina amin’ny rantsan-tanana angamba ny hoe tsy miverina an-tanindrazana izany, handry fahizay anivon’ny fianakaviana. Tsy misy tokony hifampiolonolonana izany!
Manana ny hasiny rahateo ny kolontsaina malagasy, mivoy ny firaisan-tsaina sy ny firaiketam-po amin’ny tany niaviana. Ny vazaha aza dedaka fa Malagasy. Ny mpilaravinahitra tsy te hody fa manorina fasan-drazana eto Madagasikara. Isika samy isika indray ve izany no handeha hanao valala an-karona ka ifanipaka an-toerana. Isika ihany no vahaolana fa tsy hiandrasana vahiny lava ho mpanelanelana.
r.r




