Rugby : « Mbola ao amin’ny Uscar foana aho », hoy i Benjamin

Anisan’ireo nahafantarana ny Uscar Rugby, Randriamanantena Benjamin, izay mpandrindra ankapobeny ny ekipa. Fotoana ela tsy tazana intsony ny tenany. Ankehitriny miverina an-kianja indray izy. Nanambara ny antony tsy nahatazanana azy ary nitondra ny ho tohin’ny tantarany.

Gazety Taratra (*) : Tsy ao anatin’ny tontolon’ny rug­by intsony ve i Benja­min?
Benjamin (-) : Tsy hoe tsy ao anatin’ny tontolo aho fa noho ny tsy fahasalamana nahazo ahy nandritra ny volana maromaro dia mbola nitsabo izay aretiko izay ny tenako. Isaorana an’Andriamanitra fa efa miha salama aho ankehitriny ary hiverina ho hitanareo eny an-kianja indray.

*Nahafantarana anao ny fitantanana ny Uscar. Hi­ton­dra inona izao fiverenanao izao?
– Klioba nimatimatesako ny Uscar hatramin’izay ka hatramin’izao ary izaho angamba no olona tsy mba niova izany na iza mpitantana teo na iza. Tsy hoe hitondra zavatra goavana fa hifankahita indray amin’ireo mpilalao sy mpanazatra ary ireo mpiara-miasa. Anisan’ny sarotiny sy malahelo aho raha toa ka tojo faharesena io ekipa io ary mahalala izany avokoa ireo rehetra ao anatin’ny Uscar. Tsiahiviko fa ao anatin’ny filankevi-pitantanana ny tenako, izay mikarakara ny ara-taratasy sy ny hafa.

*Ahoana ny fahitanao ny Uscar amin’izao fotoana izao?
– Tsy mahamenatra ahy ny milaza fa anisan’ireo ekipa goavana indrindra eto Madagasikara ny Uscar. Tsy mitsahatra ny mivoatra miaraka amin’ireo mpilalao sy mpanazatra manana traikefa ary ireo mpitantana izay manao ny ainy tsy ho zavatra manohana amin’ny lafiny rehetra. Mino aho fa hahavita dingana goavana mihoatra noho ny tamin’ny taon-dasa ny Uscar, amin’ ity.

* Hafatr’i Benjamin, amin’ ireo mpilalaon’ny Uscar.
– Tsotra ny ahy ny teniko. Hajao tsara ary tiavo ry zalahy ity taranja ity fa io no antom-pisiantsika sy hamelomana ny vady aman-janaka. Mitsodrano ny Uscar aho, ho lasa farany lavitra amin’ny fifaninanana atao ary ho tonga tompondakan’i Madagasikara.

Dinika nangonin’i Tompondaka

Partager sur: