SOMBIM-BAOVAO

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena Portugal, hiatrika ny Mondial 2026, ny mpanazatra Roberto Martinez, afakomaly. Mbola tazana anatin’izany ilay kalaza portiogey, Cristiano Ronaldo. Tsara marihina fa ity portiogey ity, mpilalao nanatrika Mondial betsaka indrindra, araka ny fikarohana natao, ity no fiadiana ny amboara maneran-tany fahenina atrehany.

Taorian’ny fivoriana ara-teknika, omaly, hotontosaina manomboka anio 22 mey hatramin’ny 24 mey izao, ny fiadiana ny amboaran’i Madagasikara, taranja Beach volley. Eny amin’ny Tanàna Soa Ambohimanga Rova no hanatanterahina izany. Tsiahivina fa nisy ny fiofanana ny herinandro teo, mialoha izao fifaninanana izao.

Hotanterahina eny amin’ny Kianja mitafon’Ankatso, rahampitso sabotsy, ny famaranana, eo amin’ny JCBA sy PMBC, sokajy Vétérans vehivavy, ao anatin’ny fifaninanana “Présaison”, eo anivon’ny seksiona Antananarivo Renivohitra, taranja basikety. Hatao amin’io ihany koa ny fiadiana laharana fahatelo eo amin’ny Vétérans lehilahy, izay hihaonan’ny SMBC sy Dalton.

Partager sur: