Vinam-pirenena amin’ny taona 2030 ny hanangana tontolo niomerika mirindra, mahaleo tena, vaovao ho an’ny olom-pirenena tsirairay sy ho an’ny fanovana maharitra eto Madagasikara
Sehatra stratejika miantoka ny fampandrosoana ny firenena ny niomerika. Miantoka ihany koa ny fampandehanan-draharaham-pirenena. Antony nahatonga ny diniky ny minisitry ny Fampiroboroboana ny haitao ara-kajy mirindra, ny paositra ary ny fifandraisan-davitra (MNDPT), Andriamampiadana Mahefa. Niarahana tamin’ ny solontena maharitry ny Banky iraisam-pirenena, Atou Seck, sy ny delegasionin’ny Banky iraisam-pirenena, notarihin’i Michel Rogy sy Mehnaz Safavian, izany. Nanolotra ny sori-dalana sy ny laharam-pahamehana eo amin’ny sehatry ny niomerika ny minisitra. Novelaberaliny ihany koa ny fandrosoan’ireo tetikasa stratejika an-dalam-pihariana. Zava-dehibe, hoy izy, ny hanafainganana ny fanovana niomerika eto Madagasikara, izay fototra iray lehibe ho an’ny fampandrosoana ara-toekarena sy ny fampiatiana niomerika ho an’ny Malagasy rehetra.
Nivoitra tao anatin’ny fifanakalozana ihany koa ireo laharam-pahamehana hahafahana manokatra lalana vaovao ho an’ny famatsiam-bola. Eo koa ireo fiaraha-miasa maharitra hanamafisana ny tontolo niomerika eto Madagasikara.
Fanamby
Tanjona ho an’ny 2030 ny fampiatiana niomerika sy ny fampiasana ara-drariny izany ho takatry ny rehetra. Ao anatin’izany ny fanovana ho niomerika ny tolo-draharaham-panjakana samihafa. Hapetraka eto amintsika ny fotodrafitra niomerika matanjaka sy ny « cyber sécurité », natao hanamafisana ny fifandraisana sy hiarovana ny angon-drakitra. Hampiroboroboina ao anatin’izay ny fahaiza-manao niomerika mba hamolavolana ireo asa rahampitso. Miantoka ny fampandrosoana ny fandraharahana hanomezan-danja ny famoronan’asa izany.
Henintsoa
.




