Tranombarotra Cosmos : Nisokatra ny magazay faha-21 eny Andraharo

Manakaiky hatrany ny mpanjifa! Nisokatra omaly 21 mey ny tranombarotra Cosmos faha-21, eny Andraharo. Tanàna miroborobo ara-barotra sy ara-toekarena eto an-dRenivohitra. Nitsinjo ireo olona miasa eny amin’ny manodidina, ny mpandraharaha, ny mponina, ny tranombarotra, no nahatonga azy ireo nanangana ity tranombarotra vaovao ity. Tanjony rahateo ny hanatonana akaiky kokoa ny mpanjifa, hanomezana fahafam-po azy ireo, mba tsy handehanana lavitra intsony.
Miparitaka manerana ny Nosy ireo tranombarotra lehibe Cosmos miisa 21. Ahitana azy avokoa ny renivohi-paritany enina, ka sivy no eto Antananarivo, ary roa ny any Mahajanga, miampy an’ireo tanàn-dehibe maro. Ho an’izao fisokafana voalohany eny Andraharo izao, misy ny fihenam-bidy hatrany amin’ny 70% amin’ny karazana entana samihafa. Haharitra hatramin’ny rahampitso sabotsy 23 mey izany, mifanojo amin’izao vanim-potoana pentekosta izao rahateo. Marihina fa maro karazana ny entana amidin’ny Cosmos, toy ny kojakoja ao an-trano, an-dakozia, sns. Marika tena izy avokoa ny entana, sady misy fiantohana mandritra ny roa taona.

Njaka A.

Partager sur: