Vita avokoa ny 98% ny tohodrano ao Farafaty Toamasina. Efa mamokatra rano 22 000 m3 ao an-toerana ny fototradrafitrasa taorian’ny fahasimbany, ny volana novambra 2025. Miakatra tsikelikely amin’izao ny fisitrahana rano ao Toamasina, taorian’ny fahavitan’ny asa. Afaka hivezivezena ihany koa ny tohodrano mba hahafahan’ny mponina mitatitra ny vokatra ho an’ny fampandrosoan’ny kaominina sy ny toerana manodidina.
Hanome fahalalana momba ny « Accès et partage des avantages » (APA) ao anatin’ny « Protocole » an’i Nagoya. Io no tanjona napetraka nandritra ny atrikasa entina hampandrosoana maharitra ny sehatry ny jono sy ho fiarovana ny harena an-dranomasina. Nofanina mahakasika izany ireo eo anivon’ny fitantanan-draharaham-panjakana. Kendrena ny hahafahana mampiasa, manamora ny fidirana sy ny fampiasana amin’ny fomba mangarahara ireo harena ara-pototra ary ireo fahalalana nentim-paharazana.
Manatsara ny fidiram-bolan’ny tokantrano, mampihena ny tsindry amin’ny harena voajanahary sy ny tontolo iainana ny fambolena pili-pili. Miisa dimy ny fikambanana mamboly izany, amina velarana maherin’ ny 5 ha ao Tameantsoa, tanàna iray amin’ny sisin’ny Faritra arovana Amoron’i Onilahy, ao Mahafaly. Mora karakaraina, maharitra ary mahavelona ny pili-pili, ka mifanaraka tsara amin’ny zava-misy eny an-toerana.




