Hanao ahoana ihany ny fikaonandoham-pirenena? Maro ny miandry fatratra. Ho amin’ny tena fanavaozana sa… ? Sanatria, ho ady saritaka noho ny paipaika sy kajikajy politika mahazatra ny sasany, na noho ny torapo tsy mahafa-bela ny hafa… Na ahoana na ahoana, mila mitandrina sy malina. Amin’izany, manara-maso sy mifanara-maso: iza no manao inona, aiza ary mankaiza, mitondra ho aiza… ? Aim-pirenena ny raharaha, kihon-dalana lehibe ny hoavin’ny firenena sy ny taranaka. Tsy ekena ny andranandrana sy kitsapatsapa, ny ankadasitra na fombafomba. Tokony ho saro-piaro ny rehetra? Aim-pirenena!
Mora ny maneho hevitra fa sarotra ny manatanteraka, tsotra ny mandrafitra karazan-dalàna fa manahirana ny mampihatra… Ho tena fanavaozana no hatao fa tsy sarin’ady. Eo, ohatra, ny lalàmpanorenana amin’izay ho rafi-panjakana tian-kajoro: hanao ahoana? Toy izany koa ny lalàm-pifidianana sy izay ho rafitra hikarakara sy hikirakira izany. Ahoana koa, ohatra, ny amin’ny tontolon’ny diplaomasia: hanapaka tadim-poitra amin’izay ve i Madagasikara ka tsy hanaraka ambokony lava amin’ny firenena itsy na iroa? Ahoana ny fitrandrahana harena an-kibon’ny tany, ny fanabeazana sy fampianarana mifanaraka amin’ny maha izy azy ny tena. Toy izany koa ny amin’ny tontolon’ny fahasalamana tsimialonjafy, ny fitsarana tsy miangatra tsy atao anenjehana sy anamelohina fotsiny fa tena itadiavana ny marina, ny politika mampandroso fa tsy mampiady an-toerana noho ny ady tombontsoa…
Hahasahana ny sehatra rehetra ny fikaonandoham-pirenena? Ny Malagasy rehetra no hoe haneho ny heviny? Ny vidim-piainana sy ny fianaran-janany, ohatra, no lehibe sy maika amin’ny maro, fa tsy izay karazan-dalàna itsy na iroa. Sao tsy ifankahazoana ny resaka? Mila fanazavana… Aim-pirenena!
R. Nd.




