Ambohitrakely sy Andrainarivo: Loza mitatao ny fahateren’ ny lalan-tongotra

Mitohy eny Ambohitrakely sy Andrainarivo ny fandaminana ny sisin-dalana izay natao ho an’ny mpandeha an-tongotra tanterahin’ny CUA. Loza mitatao ho an’ny mpandeha an-tongotra ny fahateren’ny lalana, noho ireo mpivarotra sy fiara maty mibahana. Eo koa ny famoahana afo mamay andrahoana sakafo eny amin’ny sisin-dalana.
Nomena 48 ora ireo manana fiara maty mijanona amin’ny sisin-dalana. Nalana avy hatrany kosa ny fitaovan’ireo mpivarotra mihoa-pefy anaty arabe. Tsy azo apetraka anaty arabe ny fitaovam-pandrahoana, ny seza sy ny latabatra fisakafoana ary ny elobe manamorona ny lalana sy ireo eo amin’ny Rond point Ambohitrakely, izay loza mitatao noho ny fisiana andrin-jiro sy ny vata mpanova herinaratra
Azo atao kosa anefa ny miantsona eny an-tsisin-dalana aorian’ny amin’ny 6 ora hariva sy mialoha ny amin’ny 7 ora maraina. Ho an’ireo manana parking manokana, tsy maintsy apetraka hita maso ny fahazoan-dalana avy amin’ny Kao­minina Antananarivo Renivohitra.
Tokony hampiharina amin’ireo toerana rehetra feno mpivarotra amoron-dalana ity ezaka ity, hisian’ny filaminan’ny fifamoivoizana.

Tatiana A

Partager sur: