Hanome lanja ny fahaleovantena ara-toekarena ho an’ny vehivavy ny tetikasa Eager. Manohana izany ny Banky iraisam-pirenena, iaraha-miasa amin’ny minisiteran’ny Indostria.
Vonona hanolo-tanana ny minisiteran’ny Indostria sy ny fampivelarana ny sehatra tsy miankina (MIDSP) ny Banky iraisam-pirenena, ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Nivoitra izany nandritra ny dinika nataon’ny minisitra Raharimanjato Ny Riana Nampoina sy ny tomponandraikitra voalohany amin’ny fampandehanan’asa avy ao amin’ny Banky iraisam-pirenena, i Kochikpa Olodo, tetsy Anosy. Voaresaka manokana ny hanamafisana ny fiaraha-miasan’ny roa tonta amin’ireo tetikasa iaraha-manatanteraka. Anisan’ireo noresahina manokana ny tetika Eager. Ity farany izay mikendry ny fahaleovantena ara-toekaren’ny tovovavy sy ny vehivavy. Ao anatin’izany ny fampiroboroboana ny fandraharahana maharitra sy tsy manavaka. Nasian-teny ihany koa ny tetikasa Pic izay manohana sy manome tantsoroka ny orinasa sy ny mpandraharaha, tafiditra ao anatin’ny fampiroboroboana ny sehatra tsy miankina.
Paikady
Nidera ny ezaka sy ny haitarika nataon’ny MIDSP ny solontenan’ny Banky iraisam-pirenena. Nampirisika ihany koa izy ny hanafainganana ireo asa sy tetikasa efa napetraka. “Andry lehibe iankinan’ny sehatra tsy miankina amin’ ny fampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara ity minisitera ity”, hoy ny iraky ny Banky iraisam-pirenena. Nohamafisiny fa ho soroka miara-milanja, hanohana ary hiara-miasa akaiky amin’ny minisitera amin’ireo tetikasam-pampandrosoana ny firenena ny Banky iraisam-pirenena. “Vonona hanatanteraka haingana ireo tetikasa iarahana amin’ny Banky iraisam-pirenena ny minisitera, hanohanana ny sehatra tsy miankina sy hampandrosoana ny firenena”, hoy kosa ny minisitra.
Henintsoa




