Nanakoako tany Ouganda indray i Madagasikara! Voahosotra ho tompondakan’i Afrika eo amin’ny taranja Échecs, sokajy latsaky ny 14 taona, i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra.
Notontosaina tamin’ity herinandro ity, tany Ouganda, ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, taranja échecs, sokajy “Jeunes”. Tsy diso anjara tamin’izany i Madagasikara fa nanana solontena 11 mianadahy ary tena tsara ny vokatra. Tompondakan’i Afrika, sokajy latsaky ny 14 taona, vehivavy, ny Malagasy mpilalao Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra. Isa 8 amin’ny 9 no azony, izany hoe, fandresena 7 sy ady sahala 2, ka nametraka azy teo amin’ny laharana voalohany tamin’ireo mpifaninana 80. Nampiseho i Aina fa voafehiny ity taranja ity ary nahavita nandavo ilay Maître Fide Egytianina, i Ahmed Mohamad Zakaa, izy. Tsiahivina fa efa nisalotra ny anaram-boninahitra tompondakan’i Afrika ity malagasy ity tamin’ny taona 2023, teo amin’ny sokajy U12.
Tafiditra Top 10 ny Malagasy 6 mianadahy
Tsy vitan’izany fa nanome ny tsara indrindra avy aminy avokoa ireo Malagasy mpilalao niatrika ity fiadiana ny tompondakan’i Afrika ity. Tafiditra Top 10 ny 6 nisolo tena an’i Madagasikara. Teo amin’ny U12, vehivavy, nahazo medaly alimo ny zandrin’i Aina Mahasambatra, i Tsinjoviniavo Nivo Hasina, nanoloana ireo mpifanandrina taminy miisa 104. Laharana faha-6, teo amin’ io sokajy io kosa Randriamazava Mamihaja Jessie, raha toa ka faha-8, teo amin’ny sokajy lehilahy, Razafindrano Raphael. Laharana faha-16 i Ayaan Chandarana. Teo
amin’ny sokajy U8, vehivavy, laharana faha-4 Rajaobelina Amboarantsoa Aysha Fifaliana, raha toa ka laharana faha-9 Randriamazava Mbolamazava Jason, teo amin’ny U8 lehilahy. Ho an’ny sokajy U10, lehilahy kosa, laharana faha-6 Andriamanankasina David, tamin’ny mpifaninana 169 ary laharana faha-34 Rasolondraibe Nehemiah. Laharana faha-21, teo amin’ny U10, vehivavy, Rajaonarison Soaniavo Tesla ary laharana faha-16, teo amin’ny sokajy U16, lehilahy, i Tojomalala Aiko. Anisan’ny vokatra tsara indrindra azon’ny Malagasy teo amin’ny taranja échecs, teo amin’ny sehatra afrikanina, izao norombahin’izy 11 mianadahy izao.
Mi.Raz




