Manohana mivantana ny governemanta malagasy sy ny Médecins du Monde i Etazonia. Mba hahazoana antoka fa afaka mahazo fitsaboana mamonjy aina ireo vondrom-piarahamonina any amin’ny faritra saro-dalana, indrindra any atsimon’ny Nosy.
Mipetraka mihoatra ny 10 km miala ny tobim-pahasalamana ny ampahany betsaka amin’ny mponina any.
Mitentina 16 000 tapitrisa Ar mahery ny fanampiana avy amin’ny amerikanina, hahafahan’ireo tobim-pahasalamana mitety vohitra (cliniques mobiles) misoroka sy mitsabo ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika sy ireo aretina mpahazo matetika any amin’ireo distrika saro-dalana. Ankizy latsaky ny 5 taona, maherin’ny 38 000 isa, no nahazo fitsaboana noho ny tsy fanjarian-tsakafo mahery vaika tao anatin’ny herintaona. Marary maherin’ny 144 000 isa kosa nisitraka fitsaboana fototra. Sady manamafy ny rafi-pahasalamana no manafaingana ny fandraisana an-tanana mivantana ireo tena mila fitsaboana ity fomba fiasa ity. Manampy amin’ny fifehezana ireo loza mitatao ara-pahasalamana, mialoha ny hiparitahany ivelan’ny sisintany ihany koa izany.
Tatiana A




