Anisan’ny mandray anjara feno amin’ny fandrafetana ny ho vontoatin’ilay fehinkevitra ho entina any amin’ny Fikaonandoham-pirenena ny mpanjifa. Nisy omaly ny dinika narahina adihevitra niarahana tamin’ny herivelona rehetra. Fivoriana notanterahina tetsy amin’ny foiben’ny Antenimieran’ny Varotra sy ny indostria Antaninarenina. Nitarika izany ny avy amin’ny sendika isan-karazany mpiaro ny mpanjifa, ny avy amin’ny minisitera mpiahy toy ny Varotra sy ny avy ao amin’ny Fanavaozana. Teny an-toerana ihany koa ny mpanolotsaina maharitry ny Filohan’ny Fanavaozana, nisolo tena azy.
Nivoitra tamin’ny adihevitra fa tsy tokony ho ferana ny vondrona miady ho an’ny tombontsoan’ny mpanjifa. Afaka manao izany avokoa ny herivelona rehetra. Tolo-kevitra iray anisan’ny nisongadina tamin’ny fehinkevitra ny fanirian’ny rehetra hanangana ny tranoben’ny mpanjifa. Afaka miditra ao anatiny avokoa rehefa vonona ny hiady ho an’ny tombontsoan’ny mpanjifa. Mba hialana amin’ny fanaovana fitaovana politika ny « zon’ny mpanjifa », tahaka ny nisy hatrizay, izany. Mangataka ny mba hisian’ny sampana mpiaro ny mpanjifa isaky ny minisitera ihany koa ny mpivory. Izany no hatao dia ny mba hahafahana mifanampy amin’ny fanafainganana ny asa sy ny vokatra andrasana amin’ny mpiasam-panjakana. Mazava ho azy fa hihena na ho foana ho azy ny kolikoly isan-karazany.
Randria




