Noraisin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa ireo solontenan’ny Deutsche Genossenschafts- und Raiffeisenverband e.V. Fikambanana alemana manana anjara toerana lehibe amin’ny fampandrosoana izy ity. Tafiditra ao anatin’ny iraka fizahantany sy fifampidinihana ataon’izy ireo eto Madagasikara ny fihaonana. Mikendry ny hahafantarana bebe kokoa ny filana sy ny sehatra mety ahafahana miara-miasa ho an’ny fampandrosoana izany. Anisan’ny vina iombonana ny hananganana fiaraha-miasa maharitra ho fanohanana ny fampandrosoana ara-toekarena sy sosialy eto Madagasikara, amin’ny alalan’ny fanofanana arakasa matihanina.
Telo volana taorian’ny nandalovan’ny rivodoza Gezani, mbola mitohy ireo fanampiana avy amin’ny fitondram-panjakana sy ireo mpiara-miombon’antoka, tanterahin’ny BNGRC. Anisan’ny misitraka izany ireo olona marefo sy ireo rafitra manampy ny fiarahamonina, toy ny fikambanana mitaiza olona manana fahasembanana, ny fikambanan’ny Beantitra. Eo koa ireo fikambanana miisa 11, ireo fiangonana mandrafitra ny FFKM ( Katolika, FJKM, Anglikanina ary FLM), ary ireo toeram-pitsaboana. Ny fitaleavam-paritry ny Fahasalamana no nisahana ny fandraisana sy ny fizarana izany.
Tafajoro ny faran’ny herinandro teo ny sampan’ny fikambanana Psy-Kôzy Antsirabe ka i Diamondra Hasiniaina no voatendry hitantana azy. Fikambanana misehatra amin’ny fanatsarana ny fikarakarana ny fahasalaman’ny saina izy ity. Dimy taona izay no niforonany teto Antananarivo.




