Kolikoly sy fanararaotam-pahefana : Depiote sy ben’ny Tanàna, sefo fokontany migadra

Migadra roa taona an-tranomaizina ny ben’ny Tananan’Ambohibao teo aloha, Lalaina Valisoa. Nalefa eny Antanimora i Rafanomezantsoa Jean Nirina (Hafari). Eny Imerintsiatosika kosa Raholdina Naivo. Olana momba ny tany avokoa no iampangana azy ireo.

Namoaka ny didy ny mpi­tsara avy eo anivon’ny fitsarana miady amin’ny kolikoly na Pac ka nanasazy roa taona, sazy mihatra, ny ben’ny Tanàna teo aloha an’ An­te­hiroka, distrikan’Ambohi­dratrimo, miampy lamandy 10 tapitrisa Ar. Nivarotra tanin’olona tamin’ny fomba tsy ara-dalàna io ben’ny Tanàna teo aloha, fantatry ny maro amin’ny solon’ anarana hoe «La­laina Vato­soa» io, araka ny vesatra hi­ampangana azy. Tany tsy la­vitry ny ivontoeran’ ny Sampan­­draharaha miady amin’ny kolikoly na Bianco ao Ambohibao io nahodinkodiny io, araka ny loharanom-baovao. Ankoatra io, vesatra hi­ampangana azy koa ny fanararaotam-pahefana sy ny fampiasana izany tsy araka ny to­kony ho izy. Naha­zoana tombontsoa manokana anefa io fananararaotam-pahefana nataony io. Niroso nanao ny asany ny sampandraharaha miady amin’ny kolikoly sy ni­sambotra an’io olom-boafidy teo aloha io. Tsiahivina, notanana vonjimaika any am-ponja koa ny solombavambahoaka Naivo Raholdina sy ny sefo fo­kontany Anosizato Atsinana­na teo aloha, Jean Nirina Rafano­me­zantsoa, afakomaly. Voa­saringotra amin’ny famarotana tanim-panjakana ity farany ka nalefa any am-ponja taorian’ny fakana am-bavany azy teny anivon’ny zandary.

Ady tany teny By-Pass

Ankoatra izay, afaka madiodio i Roberto, vadin’ny mpanakanto Stephanie, taorian’ny didy navoakan’ny fitsarana tetsy Anosy, omaly. Nam­baran’ny mpitsara mpamoaka didy fa ity lehilahy ity no tena niharan’ny fisolokiana fa tsy nisoloky. Manoloana izany, hampiakatra ny raharaha eny anivon’ny tendrom-pitsarana miady amin’ny kolikoly ny mpitory, tsy afapo tamin’ny didy. Vonona ny hitondra ny porofo rehetra eny anivon’ny fitsarana ma­hakasika ny fisian’ny kolikoly nataon’io lehilahy io izy ireo. Marihina fa varotra tany mirefy 1100 m² izay mitentina 66 tapitrisa Ariary teny By-Pass ny anton’izao disasida teo amin’ny roa tonta izao. Andrasana ny tohin’ny raharaha.

Tsiferana R./ Mino

Partager sur: