Ravelonahina Andrianjaka Hasina : Nahazo ny mari-pahaizana Doctorat en science cognitive et application

Natolotra omaly, teny Ankatso, ny valin’ny fikarohana narahina fanohanan-kevitra nataon’ny mpampianatra mpikaroka eny amin’ny Sekoly ambony Inscae, Ravelonahina Andrianjaka Hasina.

Lohahevitra tamin’izany ny «Modèle d’apprentissage avancé sur des données sociales à Madagas­car».
Fampianarana ny ordinatera hampiana-tena avy amin’ ny antontanisa efa misy ahafahany maminany na manome refy amin’ny zavatra hitranga iray manakaiky ny marina ny vontoatin’ny fikarohana nataony. Telo taona sy tapany ny faharetany ary ny matematika ao ambadiky ny IA no niatombohany.
Amin’izao fotoana izao, malaza ny faharanitan-tsaina artifisialy (IA) fa singa iray ao anatin’izany no nataony: ny momba ny “apprentissage statistique”. Ohatra iray amin’ireny ny chat GPT izay antsoina koa hoe «grand modèle de langage». Mahavita miresaka ohatra ny olona ilay milina (machine) satria nasaina namaky boky betsaka, nomena texte maro ka afaka mamaly ny fanontanian’ny olona. Amin’izao fotoana izao, tsy atoro ny milina intsony ny fa­naovana zavatra iray fa ampifanatrehina amin’ny antontanisa maro izy dia lasa mampiana-tena. Ny matematika ao ambadik’izay no ampiasaina, rehefa manome valiny iray ny milina dia ampitahaina ny valiny nomeny sy ilay tena tokony ho valiny marina ary mihatsara hatrany izany. Izay no atao hoe « algorithme ».
Ny fikarohana natao dia ni­ezaka naminany ny valin-teny ataon’ny olona raha fantatra ny zavatra maromaro momba azy. Raha mahita tanora iray ka fantatra ny zavatra maromaro momba azy dia fantatra ny heviny momba ny demokrasia, ny fampandrosoana eny ifotony… avy amin’ny fa­nontaniana maromaro efa ni­petraka. Matetika lasa manakaiky ny tena marina ilay vinavina satria asaina vakin’ny algorithme ilay izy ary avoakany ny vinavinan’ny tranga momba ilay olona iray.

Manana fahaizana ny tanora

«Azo omena ny mpikaroka rehetra momba ny sehatra maro ny fomba fiasa natao tao anatin’ny fikarohana. Fanapa­riahana siantifika koa no na­songadina fa ny matematika sy ny ordinatera mamerimberina zavatra matetika no ao ambadiky ny IA. Manana fa­haizana afaka miasa amin’izay fikarohana izay isika ary fomba iray ahafahan’ny tanora malagasy misongadina io”, hoy ny nambarany. Nahazo ny mari-pahaizana Doctorat en science cognitive et application izy amin’ny Mention très honorable, taorian’ny fa­nohanan-kevitra. Fito ny mpanadina, izay dokotera mpampianatra eny amin’ny fakiolten’ny Siansa sy profesora ingeniera avy amin’ny ESPA Vontovorona.

Vonjy

Partager sur: