Toamasina : Mirongatra ny asan-jiolahy

Lasan’ny olon-dratsy ny moto miisa roa nandritra ny fizaram-bola nataon’ny Fid tao Toamasina Renivohitra, afakomaly. Vao avy nahazo vola, olona iray norobain’ny jiolahy. Ankoatra io, nitondra moto, renim-pianakaviana iray norobain’ireo olon-dratsy ka lasa ny vola mitetina 280 000 Ar sy ny moto nentiny, tamin’ny 1 ora tolakandro. Tsy nisy afa-nanao na inona na inona ireo nanatri-maso noho ny tahotra an’ireo olon-dratsy. Nizotra nahazo ny lalana eo anelanelan’ny Lapan’ny Faritra sy ny sampandraharahan’ny fananantany ilay ramatoa tamin’io fotoana io.  Olona iray hafa koa lasibatra tsy lavitry ny orinasa iray tao Ambo­dimanga, ny tolakandron’io alakamisy 21 mey io ihany, tamin’ny 2 ora sy sasany. Norobain’ireo tsy valahara teny ambony posy notaingenany ny renim-pianakaviana iray. Voaambana antsy ilay mpitondra posy. Miantso ny tomponandraikitra hanamafy ny ady amin’ny tsy fandriam­pa­ha­lemana ao an-toerana ny mponina.

Sajo

Partager sur: