Nandritra ny fifaninanana teny sy kolontsaina rosianina, ny faran’ny herinandro teo, nahazo ny laharana voalohany ny Lycée Alasora, ao amin’ ny Cisco Antananarivo Avaradrano.
Loka mitentina 1 000 000 Ar no azon’izy ireo tamin’izany. Nahazo loka avokoa anefa ireo nandray anjara rehetra.
Marihina fa ireo Lycée mampianatra teny rosianina eto Antananarivo no mandray anjara amin’ny fifaninanana. Ahitana ny Lycée JJ Rabearivelo, Lycée Alasora, Lycée Andohalo ary ny Lycée Nanisana.
Manomboka mahasarika ny ankizy ny fianarana teny rosianina. Ampirisihin’ny mpampianatra mihitsy aza ny fianarana izany ankehitriny. Varavarana iray misokatra amin’ny fanovozana fianarana any amin’ity firenena ity ihany koa ny fifehezana ny teniny.
Taorian’ireny fandehanan’ny “influenceur” any Rosia ireny koa dia manitikitika ny sain’ny tanora ny hankany amin’izany firenena izany. Antony mahatonga azy ireo haniry ny hahay ny teny sy ny kolontsaina rosianina io.
Tatiana A




