“Environment Contest 3×3” : Ekipa 91 hifaninana amin’ny 5 sy 6 jona

Efa tapitra tanteraka ny fisoratana anarana amin’ilay fifaninanana “Environment Contest 3×3”, izay hatao ny 5 hatramin’ ny 6 jona izao, manoloana ny Lapan’ny Tanàna Antananarivo. Fifaninanana basikety lalaovin’olona 3, natokana ho an’ny mpianatra eny anivon’ny Oniversite, izay karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana ambaratonga ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Iarahan’izy ireo misalahy amin’ny Federa­sionina malagasin’ny basikety,  ny minisiteran’ny Tontolo iainana ary ny Kaominina Antananarivo Renivohitra. Araka izany,  ekipa 91 no hifaninana,  66 ny sokajy lehilahy,  15 ny vehivavy ary 10 ny PAT.  Tafiditra anatin’ny fankalazana ny Andro maneran-tany ho an’ny tontolo iainana ity hetsika ity ary homarihina amin’ny fanatanjahantena sy kolontsaina. Hisy ny fifaninanana hafa toy ny dihy sy fanorona ary ny hiragasy goavambe, araka ny nambaran’ny mpikarakara.

Mi.Raz

Partager sur: