Fahasalamana: Nodinihina ny sata hifehy ny AC

Taorian’ny fihaonana maneran-tany momba ny fahasalamana natao tany Genève, nanatanteraka atrikasa nandinihina ny ny sata mifehy ny mpanentana ara-pahasalamana eny ifotony (AC) ny fanjakana, tamin’ity herinandro ity. Tanjona ny hijerena ny fanatsarana ny sehatrasa sy ny fari-piainan’ireny mpanentana ireny.
Miasa an-tsitrapo hatramin’izay ireo mpanentana ara-pahasalamana. Omena fiofanana fototra amin’ny fikarakarana ny zaza sy ny reny momba ireo aretina mpahazo andavanandro izy ireny. Miasa amin’ny fo, manatanteraka ny fandraisana an-tanana ara-pahasalamana tsotra eny anivon’ny fiarahamonina.
Kitro ifaharan’ny fahasalamam-bahoaka eny ifotony ireo mpanentana ara-pahasalamana. Ireto farany no tena akaiky ny vahoaka ary dokotera mihitsy aza no handraisan’ny mponina any ambanivohitra azy ireny.
Mahavonjy amin’ny fitsaboana maimaika sy ny famonjena aina izy ireo ka tena zava-dehibe amin’ny fiarahamonina ny fananana azy.
Kendrena ao anatin’izao fanavaozana izao ny hisitrahan’izy ireny tohana maharitra, hampisy risi-po amin’ny asa ataony ary hanaovana adisisika ao anatin’ny fanitsiana ny tetibolam-panjakana.

Tatiana A

Partager sur: