Notazomina vonjimaika ao Antanimora ny vehivavy roa, voalaza ho atidoha nikotrika ny fandrobana vazaha teny Avaratr’Antanimora, tamin’ny faran’ny volana marsa. Nalefa any Tsiafahy ny lehilahy iray, nahafaty ny mpiambina sy nangalatra 35 tapitrisa Ariary.
Tompon’antoka tamin’ny fanafihana sady nihazona ny dika mitovy tamin’ny fanalahidin’ny tranon’ny mpampiasa azy ireo roa vavy mpiasa teo aloha tao amin’ilay teratany vahiny voaroba tetsy Avaratr’Antanimora. Nohainoin’ny mpitsara mpanao famotorana ny talata 26 mey teo, notanana vonjimaika any amin’ny fonjaben’i Tsiafahy, ny lehilahy iray voasaringotra tamin’ny famonoana teratany vahiny iray. Nitrangana fanafihana mitam-piadiana tao amin’ny tokantrano iray teny Avaratr’Antanimora, ny alin’ny 30 marsa teo. Teratany vahiny iray niharan’ ny fandrobana tamin’io fotoana io. Novonoin’ireo tsy valahara ny mpiambina ka nanao mora ny fidiran’izy ireo tamin’ ny tranon’ilay mpandraharaha. Voadaroka ity farany ary lasan’ireo mpandroba ny lelavola mitetina 35 tapitrisa Ar. Nandositra ireo nahavanon-doza taorian’io. Niroso tamin’ ny fanadihadiana ny polisim-pirenena avy eo anivon’ny sampam-pikarohana heloka bevava Anosy.
Mpiasa nivadika
Nandritra ny fanadihadiana lalina nataon’ny polisy, atidoha nikotrika ny fanafihana ny vehivavy roa mpiasa teo aloha tao amin’io teratany vahiny io. Nataon’izy ireo dika mitovy ny fanalahidin’ny tranon’ilay mpampiasa azy teo aloha. Nanatanteraka ny fanafihana ny roa lahy naman’izy roa vavy ary io nahavita namono olona sady nidaroka ny tompon-trano voaroba io. Voasambotra tao amin’ny trano fonenany, teny Tsimbazaza, ny iray tamin’izy roa vavy, ny marainan’ny 19 mey lasa teo. Nitoroka ireo namany sy nitantara ny nanatontosany ny asa ratsiny ity farany. Tratra teny Tsiadana ny namany. Niaraka natao famotorana izy telo mianadahy raha toa ka misy lehilahy iray hafa mbola karohina. Toarian’ny fampanoavana, samy nohazonina any am-ponja ireo olona miisa telo efa voasambotra ireo.
Tsiferana R.




