INDRAY MIJERY

Manome lanja ny fanabeazana ny tanora ho tia sy hiaro ny tontolo iainana ary ho olom-pirenena tomponandraikitra ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa. Manampy amin’ny fanamafisana ny “chantier école” sy ny fanabeazana miompana amin’ny asa sy ny tontolo iainana ny hetsika. Nifanome tanana ireo fitaleavana samihafa eo anivon’ ny minisitera tamin’ny fanatanterahana ny fifaninanana. Nandray anjara ireo toeram-pampianarana enina ao anatin’ny DRETFP Analamanga, ka ny LTPGC Maha­masina no nahazo ny laharana voalohany.

Mitohy ny fijerena ireo olona marefo sy ahina ho tratry ny tsy fanjarian-tsakafo any amin’ny distrikan’­Amboasary, Ambovombe, ao anatin’ilay tetikasa “Vonje longo”. Entin’ny BNGRC hanampiana ireo vahoaka sahirana izany ka kaominina enina no voajery manokana dia ny kaominina Mahaly, Tomboarivo, Ranobe, Maroalimainty, Ambazoa ary Ambovombe. Fianaka­viana manodidina ny 4 700 (olona 23 270) no nahazo tombony manokana amin’ny fanampiana naterin’ny ekipan’ny BNGRC an-tanana.

Notoloran’ny masoivohon’i Japon fiara fitondrana marary ny Centre Le bon samaritain ao Toa­masina. Manatona ny olona eny ifotony mitondra fitsaboana ity ivontoerana ity amin’ny alalan’ny fitsaboana mitety vohitra, ka hanampy betsaka amin’izany ny fahazoana ity fiara vaovao ity. Hitombo koa ny olona hisitraka tolotra satria hiitatra ho valo ny fokontany iasana raha dimy izany teo aloha. Manodidina ny 4 800 no ho voakarakara.

Partager sur: